Table des matières - Précédente - Suivante


Back to Home Page of CD3WD Project or Back to list of CD3WD Publications

Filazalazana ankapobeny momba ny vokatra

Mahatratra eo amin'ny 9 ka hatramiin'ny 27 % eo ho eo ny ny lanjan'ny taolamanga amin'ny lanjan'ny voankazo lena iray.

Toy izao kosa ny votoatin'ny nofom-boankaz:

- rano: 78 ka hatramin'ny 86%;
- siramamy: 12 ka hatramin'ny 15%
- asidra organika: 0,2 ka hatramin'ny 0,5%
- sahalan'ny pH 4.

Ny nofom-boankazo azo avy amin'ireo karazana natao grefy dia eo amin'ny 50 ka ka hatramin'ny 80%.

Be ny akora maina ao amin'ny nofo-manga; kely dia kely ny hadiro ao aminy ary tena betsaka ny vitamina A ananany.

Avo 20 heny noho ny vitamina A ao anatin'ny voasary mitovy habe aminy ny ao anatin'ny manga iray.

Metimety kokoa ho an'ny mpamokatra ny manakalo ho vola ny voankazo vao eo an-toerana ihany. Kanefa izay endrim-barotra izay dia tsy ahafahana mandafo sy mandany ny vokatra rehetra. Noho izany dia ilaina ny hanodinana ny manga ho ranom-boankazo, ho rihi-boankazo, kaonfitira, ho teti-boankazo misy sirao, ho voankazo maina, na ho vatomamim-boankazo.

Fa ny famokarana kaonfitira sy voankazo maina kosa dia azo heverina fa ho vita moramora kokoa, ohatra hoe eo amin'ny fivondronan'ny mpamokatra.

Ho an'ny tany takala an'i Madagasikara, izay ahitana voankazo vao tsy toko tsy forohana very fotsiny aoriana ny fiotazana, nefa dia ahitana koa olona izay tratra voan'ny aretina tsy fahaampiambitaminina, diaazo itompoana fa ny fomba fanodinana tahaka itony dia tena mahasoa.

Araky ny fanadiadiana nataon'ny CIRAD (1984) tany Mahajanga dia eo amin'ny 25000 t eo ny manga tsy voaodina, noho izany dia misy ny fanirian'ny mpamokatra ny mba iakaran'ny fifanarahan'asa eo amin'azy ireo sy ny orinasa mpanodina.

Ny vokatra manga dia eo amin'ny 80% mandritra ny volana Septembra ka hatramin'ny volana Novembra ary eo amin'ny 20% amin'ny volana Febroary. Ny fotoana tsy isian'ny vokatra dia tokony hanaovana fanamainana voankazo hafa toy ny akondro.

Ny mahatsara ny vokatra farany dia izy azo tehirizina ela, sy ny maha sakafo mahavelona azy raha mitaha amin'ny vatomamy sy ny karamelina. Tsy dia sarotra manao ahoana ny tekinolojia momba azy, mora vidy ary manome asa ho an'ny eo an-toerana. Azo heverina fa paika maharitra izy ity.

Fomba fahandro nofom-boankazo 1 kg:

• siramamy 10 ka hatramin'ny 15 kg
• 1 sotro-kely ranom-boasarimakirana
• 2 mg métabisulfite de potassium


Zava-dehibe ny mifidy tekinolojia tsara, kanefa tsy tokony hohadinoira ny manadiady ny tsenam-bokatra mety ho hita, ary ny fepetra mety aterany.


Table des matières - Précédente - Suivante

CD3WD Project Donate