Table des matières - Précédente - Suivante
Famonosana, fanobiana, ary fahazoana antoka ny vokatra farany
Fitsarana sy fanobiana ny akora
Raha ohatra ka ilaina ny fanobiana akora dia aoka ho ao anatin'ny trano fampangatsiahina 7 ka hatramin'ny 9°C ary tsy ho tehirizina mihoatra ny 7 herinandro raha ela indrindra mba hisorohana ny fandazoana. Ilaina mantsy ny ihazonana ny hamandoana eo anelanelan'ny 85 sy 95%.
Atao aloha ny fantina voalohany, anariana ny voankazo lo, mety hando ny hafa.
Azo atao ny mitily ny (Brix 12 ka hatramin'ny 15), ny hadiro sy ny pH (eo amin'ny 4,7 eo ho eo); ao amin'ny akora, mba hanamarinana ny hatoimbokatra amin'ny fikajiana ny fifandraisan'ny Brix / Hadiro. Ireo fandrefesana ireo dia ahafahana koa mamaritra ny habetsaky ny siramamy sy ny ranom-boasarimakirana hanampy (arakaraka ny Brix sy ny pH tiana ho azo ao amin'ny vokatra farany)
Famosona ny vokatra:
Ireto ny fomba fampiasa indrindra:
cellophane izay azo hamonosana mora foana ireo silatsilaka paty voatetika mialoha.
kitapo kely polythylène tsy mihidy tanteraka mba ahafahan'ny paty miaina. Amin'ity farany ity dia angamba ilaina ny fonosana faharoa toy ny boaty tsy tanteraka hamandoana.
Ny zavatra ilaina amin'ny fanamboarana takelaka manga:
metabisulfite mba tsy ahamainty ilay takelaka manga sy mba hitahirizana azy
siramamy sy ranom-boasarimakirana ho amin'ny tsirony sy koa ny fitahirizana azy.
vidina 1 Kg métabisulfite 19500 FMG |
Fitsarana ny fanobiana ny vokatra farany
Kely dia kely ny rano amin'ny patim-boankazo ka tsy dia ho afa-miforona ny mikro-organisma. Noho izany dia tsy tokony hatoby amin'ny toerana mando ny patim-boankazo, nefa koa dia halavirina ny toerana maina loatra izay aharatsy tahery azy satria manala ny endrina monamona ary farany dia aoka arovana izy tsy ho azon'ny vovoka.
Azo mitily ny habetsaky ny hamandoana, hanamarinana fa tsy mihoatra ny 15% izany. Ny hatsaran'ny vokatra farany dia miankina amin'ny endriny monamona sy ny Brix tratra.
Fitaovana madinidinika sy fitaovana acamin'ny laboratoara ilaina:
Tena ilaina:
refrakitometatra (0 ka hatramin'ny 32 Brix);
taratasy pH na pHmetatra;
fakana maripana -40- 120°C
rano voasitily
Ilaina:
"birety" misy marika;
bekera
soda 0,1 N
fenoftaleina
mizana elekitironika (marina hatramin'ny 0,1 grama)
Table des matières - Précédente - Suivante